Job 40

Ny naneken’ i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin’ i Jehovah azy

1Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe: 2Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly! 3Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: 4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. 5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho. 6Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe: 7Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho: 8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa? 9Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao? 10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra; 11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo. 12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy. 13Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany. 14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana. 15He! jereo ange ny behemota
hipopotamosy.
, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany
Na: ho eo aminao.
: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
16Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany. 17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny 18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany. 19Voalohany amin’ ny asan’
Heb lalan’
Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra; 21Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka. 22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy 23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza. 24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? 25Mahasarika ny mamba
Heb leviatana.
amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?
26Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana? 27Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao? 28Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? 29Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao? 30Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto? 31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany? 32Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.

Copyright information for Mg1865